Notapahina ny lohany, noloarana ny masony roa – Midi Madagasikara


Habibiana tsy roa aman-tany ! Lehilahy iray manodidina 29 taona no hita faty ny sabotsy maraina lasa teo, tao an-tampon-tanan’i Mahabo. Tapaka nisaraka mihitsy tamin’ny vatany ny lohany ary efa tsy tao intsony ny voamasony.

Tsy nisy tsy nihoron-koditra ireo mponina nahita ity tranga ity. Tokony ho tamin’ny enina ora maraina tany ho any mantsy no hitan’ny mponina nivalampatra sy nihosin-drà teo andrefan’ny tanimbary tao Tanandava, kaominina ambonivohitra Mahabo, ny vatan’olona iray efa tsy misy lohany intsony. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ireo tompon’andraikitra teo an-tanàna nanoloana izao zava-nitranga nampihoron-koditra izao. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana tao an-tanàna, niaraka tamin’ny mpitsabo, nitsirika ny razana. Fantatra fa hita tsy lavitra teo ihany ny lohan’ity olona hita faty ity, saingy araka ny fampitam-baovao azo dia efa tsy tao intsony ny voamasony, toa ireny noloarana ireny mihitsy. Zava-maranitra ihany koa no nanapahana ny lohany hiala tanteraka amin’ny vatany. Tsy azo ihodivirana ny resaka vono olona feno habibiana tao anatin’izao tranga izao. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia hoe, inona no antony ary iza ireo na izay nahavita zao habibiana mahatsiravina izao ? Raha ny angom-baovao azo avy any an-toerana hatrany moa dia fantatry ny mponina teo an-toerana ity lehilahy ity, izay monina eo amin’io fokontanin’i Tanandava, kaomina sy distrikan’i Mahabo io ihany. Taorian’ny fitsirihana ny razana, araka izany, dia efa natolotra ny fianakaviana izany. Ny avy eo anivon’ny pôlisy kosa no nandray an-tanana ny fanadihadiana sy ny fikarohana izao nahavanon-doza tamin’izao heloka bevava izao.

m.L





Source link

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *