Olona 6 voasambotra, Ben’ny tanàna amperinasa ny iray – Midi Madagasikara


Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany, hatolotra ny Fitsarana eto Toliara androany ireo enin-dahy voarohirohy tamin’ny trafika sy fakana an-keriny zaza varira.

Taorian’ny fakana an-keriny tao an-tranony zazalahy kely iray varira 12 taona, ny alin’ny 6 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 43 minitra, tao amin’ny Fokontany Befamoty, Kaominina ambanivohitra Tanambao Haut, Distrikan’i Betioky Atsimo, dia nanao famotorana lalina sy nidina tany ifotony tamin’ny toerana nisehoan’ny tranga ny mpitandro filaminana notarihan’ny « Officier Coordinateur »-n’ny Zandarimaria ao Betioky Atsimo, ny 26 septambra lasa teo, rehefa navosotr’ireo naka an-keriny azy ity zaza bobo, ny 16 septambra tamin’ny dimy ora naraina. Nandritra ny kabary Dinabe niaraka tamin’ny Ben’ny tanànan’i Bezaha, tany Salobe, dimy lahy no voasambotra, ny 20 septambra lasa teo, ka fianakavian’ilay zaza nisy naka an-keriny ny roa tamin’ireo. Tao anatin’ny fandihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana, nilaza ny iray tamin’ireo voasambotra, ary nanitrikitrika mafy fa ingahy Ben’ny tanàna no nampaniraka azy ireo haka an-keriny an’io zaza io, ary hamidy 500 tapitrisa ariary any Fotadrevo Distrikan’ Ampanihy Andrefana ity varira. Rehefa nofotorana ihany koa ilay zaza varira, nilaza fa noterena ary norahonana olomboafidy iray ho faty izy tao Bezaha, raha tsy manondro ny dadatoany roa ho naka an-keriny azy tao anaty kabary Dinabe. Noho ny tahotra ny ainy, nanondro tsy nahy teo imasom-bahoaka ny « renilahiny » ity zaza varira. Ary nilaza ihany koa ity farany, fa tsy tany Anavihavy Kaominina ambanivohitra Beraketa Distrikan’i Sakaraha izy no nafenina, fa tany anaty kirihitr’ala akaikin’ny Lazarivo, 85 km atsimo atsinanan’ny Betioky.

Mpamerin-keloka, ary voasaringotra matetika amin’ny halatra sy fakana an-keriny. Tao anaty fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana, niverimberina ny anaran’ity olom-boafidy ity, ka nampanantsoin’ny Zandary tao Betioky Atsimo ny tenany hatao famotorana, nefa tsy tonga. Hany herin’ity Ben’ny tanàna mirehareha fatratra fa manana olona ambony mpiaro azy ity, omaly, tokony ho tamin’ny iray ora latsaka tany ho any, dia nitolo-tena tao amin’ny Sampam-pikarohana ny heloka bevava ao amin’ny Zandarimaria Toliara. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, mbola nataon’ny mpitandro filaminana famotorana ity olom-boafidy. Raha  ny loharanom-baovao mari-pototra, voalaza fa mpamerin-keloka ary voasaringotra matetika amin’ny halatra sy fakana an-keriny varira ity Ben’ny tanàna ity, nefa noho izy lava tanàna loatra dia tsy migadra mihitsy. Raha tsiahivina, voarohirohy tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana renim-pianakaviana varira iray 23 taona, tao Sakondry RN10, ity olom-boafidy ity sy ny ekipany, ny taona 2015, ka rehefa maty avy nototahina tamin’ny vatobe ny lohan’ity vehivavy varira, dia natsipy tany ambany tetezana ny fatiny. Olona dimy no natolotra ny Fitsarana tamin’izany, ka iray ihany no naiditra am-ponja. Ny manaitra ny maro amin’ity trafikana varira ity, dia izay Zandary manao ny asany ara-dalàna indray no mahazo fandrahonana ara-politika, ka manjakanjaka ireo tsy maty manota fahavalom-bahoaka fanetriben’ny firenena.

Eric Manitrisa





Source link

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *