Natsinkafon’ny France 24 – Midi Madagasikara


Manomboka mivoaka tsikelikely ny marina manodidina ny « compte fake », na « kaonty fako », izay fitaovana voalohany entina mamotika olona amin’ny tambajotra facebook. Efa fantatra ny fisiany, ny toerana fivondronany ary hatramin’ny karamany aza. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia ny fahitalavitra frantsay France 24 no sahy namoaka ny valin’ny fanadihadiana nataony sy nalefany tamin’ny fandaharany. Nisy ny fijoroana vavolombelona samihafa ary isan’ny nanaitra ny fanazavan’ny tovovavy iray nafenina tarehy ary nanova feo mba ho fiarovana ny ainy sy izay mety ho antsonjay. « Minisitra no manakarama anay, siangy misy mpanelanelana hatrany, ary dia baiko midina araka izany no tanterahina. Tsy mbola afaka nihaona tamin’ny mpanakarama mihitsy aho fa ny mpanelanelana no mifampiraharaha sy mampita ny asa hatao », raha ny fanazavan’ilay tovovavy. Fiarovana ny mpitantana ny firenena no tena antom-pisiany. Miditra an-tsehatra avy hatrany ny kaonty fako raha vao misy fanehoan-kevitra mety manaratsy ny fitondràna ary mandemy saina avy hatrany no tena tanjona. Potehina eo amin’ny tambajotra ny olona manelingelina, ary havoaka ny sariny, ny ankohonany ary mety ho ny fianakaviany aza. Fanao izay efa hatramin’ny fitondràna teo aloha ity mitohy ity ary vao mainka aza misy tetibola manokana. Raha araka ny fanazavan’ny mpanadihady politika iray (MLM) dia hanaovan’ny minisitera sasantsasany tsipaipaika isam-bolana mba hamelomana ireo kaonty fako. An’arivony ireo kaonty fako ary indraindray dia miady an-trano izy ireo rehefa tsy mifanaraka ny mpanakarama, na koa samihafa ny baiko. Eto amintsika ihany no lasa fitaovana politika famotehana olona ny tambajotra sosialy. Eto anefa dia tena mirafitra tsara ny sampana miady amin’ny heloka an’haba (cybercriminalité) kanefa tena mitazam-potsiny, raha tsy hoe angaha ny farantampony no voakitikitika mivantana. Raha ny olon-tsotra nahatsiaro ho simba ny haja amam-boninahiny no mitory dia tsy misy tohiny akory ny raharaha. Ankehitriny rehefa mba ny haino aman-jery vahiny no nanatsikafona ny raharaha, asa raha mba hahalala menatra ny tompon’andraikitra ka tsy hitanila amin’ny fanaraha-maso ny habaka sy ny fitorian’ny olom-pirenena. Indrindra koa, raha tsy voafehy ity fanehoan-kevitra mifamotika ity, mety hiafara amin’ny fifamonoan’ny samy olom-pirenena…

D.R





Source link

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *